15/08/2026
LESONA IA — FIZARANA 4
Ireo karazana Intelligence Artificielle
Rehefa fantatsika amin'ny ankapobeny ny atao hoe Intelligence Artificielle, dia misy fanontaniana manaraka iray:
Mitovy daholo ve ny IA rehetra?
Tsia.
Misy catégories samihafa, arakaraka ny zavatra vitany sy ny haavon'ny intelligence ananany.
1. Narrow AI : IA spécialisée
Io no karazana IA tena misy sy ampiasaintsika ankehitriny.
Izy dia natao hanao tâche na groupe de tâches voafaritra.
Ohatra:
IA mamantatra visage amin'ny photo
système de recommandation ao amin'ny YouTube na Netflix
traduction automatique
reconnaissance vocale
IA mamantatra spam
IA manampy amin'ny diagnostic médical
Ny point important dia:
Tena mahay amin'ny domaine iray izy, fa tsy midika izany hoe mahay ny zavatra rehetra.
Ohatra, IA natao hamantatra visage dia mety tena mahay amin'izany, fa tsy afaka mangataka aminy hanoratra programme complexe na hamorona musique ianao.
Izany no antsoina hoe Narrow AI na Weak AI.
2. General AI : AGI
Eto indray dia lasa hafa tanteraka ny tanjona.
Ny Artificial General Intelligence (AGI) dia hevitra momba ny IA afaka mianatra sy mamaha karazana problèmes maro samihafa, amin'ny niveau mitovitovy kokoa amin'ny intelligence humaine.
Alaivo sary an-tsaina hoe misy IA iray afaka:
Mianatra programmation.
Avy eo mianatra économie.
Avy eo mamaha problème scientifique.
Avy eo mianatra fiteny vaovao.
Ary afaka mampiasa izay zavatra nianarany amin'ny contexte vaovao.
Tsy IA natao hanao tâche iray ihany intsony izany.
Intelligence générale no tanjona.
Zava-dehibe anefa ny mahafantatra fa AGI dia mbola objectif de recherche sy concept, fa tsy zavatra azontsika lazaina tsotra hoe efa tratra tanteraka.
3. Super AI : ASI
Ary raha mbola mandeha lavitra kokoa noho izany isika?
Eo no idiran'ny Artificial Superintelligence (ASI).
Izy io dia hevitra momba ny IA izay mety hihoatra lavitra ny capacité humaine amin'ny sehatra maro.
Ohatra:
raisonnement
science
créativité
apprentissage
résolution de problèmes
prise de décision
Amin'izao fotoana izao, tsy manana ASI isika.
Hevitra sy scénario momba ny hoavin'ny IA izy io, ary mbola resahina betsaka amin'ny recherche sy ny débats momba ny futur de l'intelligence artificielle.
Ka aiza no misy antsika ankehitriny?
Raha atao tsotra:
Narrow AI → misy ankehitriny.
AGI → tanjona sy domaine de recherche.
ASI → hypothèse momba ny hoavy.
Ary misy zavatra iray tena mahaliana:
Ny IA ampiasaintsika ankehitriny, toy ny Generative AI, dia mbola tafiditra ao anatin'ny tontolon'ny IA actuelle, na dia tena mahery aza ny capacité-ny amin'ny domaine sasany.
Noho izany, rehefa mahita IA afaka manoratra, mamorona sary, mamorona vidéo na manampy amin'ny programmation ianao, dia tsy midika avy hatrany hoe AGI izany.
Fa mbola misy fanontaniana iray:
Raha samy IA daholo ireo, inona kosa no maha samy hafa ny Machine Learning, Deep Learning ary Generative AI?
Izany no hidirantsika amin'ny:
FIZARANA 5 Machine Learning, Deep Learning ary Generative AI