10/09/2025
Ny dia siansa sy teknolojia momba ny fikarakarana, fitahirizana, fandefasana ary fanodinana vaovao (informations) amin’ny alalan’ny ordinateur sy ny fitaovana nomerika hafa.
Ireto avy no tena atao sy anjara asan’ny informatique :
Fikarakarana vaovao :
Mamorona, mitahiry ary manova antontan-kevitra (ex. Word, Excel).
Fifandraisana
Mandefa sy mandray mailaka, hafatra, na antontan-taratasy amin’ny Internet.
Fikarohana sy fianarana :
Mitady vaovao haingana amin’ny Internet, mampiasa encyclopédie en ligne, na manao recherche.
Asa sy Fitantanam-bola :
Mampiasa logiciel fitantanam-bola (ex. Excel, logiciels comptabilité).
Famokarana sy famoronana :
Manao sary, horonan-tsary, mozika, na famolavolana (design, montage, programmation).
Fifandraisana manerantany :
Manampy amin’ny “visioconférence”, tambajotra sosialy (Facebook, WhatsApp, Zoom…).
Fikarohana ara-tsiansa sy indostria :
Ampiasaina amin’ny robotika, fitsaboana, fiarovana, famokarana entana.
Fampiofanana sy fanabeazana :
Manampy ny mpianatra sy mpampianatra amin’ny fanazavana, simulation, sy e-learning.
➡️ Raha fintinina dia ny informatique dia natao hahamora kokoa ny fiainana sy ny asa, manafaingana zavatra ary mampifandray ny olona sy ny vaovao eran-tany.
EFA MISOKATRA NY FISORATANA ANARANA ETO CFEI Fénerive-EST. Fidirana manaraka 07 Octobre 2025. Contact : 0342140941 na 0339140941. Toerana : Mahavelonkely ankilan'ny Trésor.