Mikarenjy Informatika

Mikarenjy Informatika Pejy natokana hoan'ny informatika sy ny tontolony (Développement web , PAO , GNU/ Linux , GIMP...sns)

petit Ckicky quii danse euh !petit Ckicky quii danse euh !où est faya?? il n'est pas la hahaha hihihi danse danse petite...
26/01/2026

petit Ckicky quii danse euh !
petit Ckicky quii danse euh !
où est faya?? il n'est pas la
hahaha hihihi
danse danse petite Wendy

[Python] Lesona 2: Variable 1. Inona no atao hoe Python ?Python dia langage de programmation noforonin’i Guido van Rossu...
28/10/2025

[Python] Lesona 2: Variable

1. Inona no atao hoe Python ?

Python dia langage de programmation noforonin’i Guido van Rossum tamin’ny taona 1989 any Holandy, ary nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 1991.

Natao ho mora vakiana sy mora ampiasaina izy, mba hahafahan’ny olona rehetra mianatra manomboka amin’ny fototra hatramin’ny haavo avo.

2. Inona no atao hoe Variable ?

Variable dia toy ny boaty itehirizana sanda (valeur). Amin’ny Python, rehefa mamorona variable ianao dia manome anarana sy sanda azy.

Ohatra 1 :

anarana = "mikarenjy"
taona = 25
tanàna = "Diego"

Fanazavana :

anarana → variable mitahiry lahatsoratra (string)

taona → variable mitahiry isa manontolo (int)

tanàna → variable mitahiry lahatsoratra (string)

3. Fitsipika amin’ny fanoratana variable

✅ Azo atao :

anarana = "Anjava"
taona_niandohana = 1989
Manana_zanaka = True

❌ Tsy azo atao :

1anarana = "Jean" # tsy azo manomboka amin’ny isa
anarana-taona = 25 # tsy azo asiana “-”

⚠ Fepetra :

Tsy azo asiana habaka (espace) amin’ny anaran’ny variable

Tsy azo atao toy ny anaran’ny teny manokana (oh: print, if, for)

Mety tsara raha manaraka fomba mazava sy manazava ilay anarana

4. Karazana sanda azon’ny variable itehirizana

- str "Mikarenjy" Lahatsoratra
- int 25 Isa manontolo
- float 3.14 Isa misy ampahany
- bool True / False Marina na Diso

Ohatra 2 :

anarana = "Hope"
taona = 8
lanja = 25.5
mianatra = True

✅ Famintinana

Python dia fiteny mora sy be mpampiasa.

Variable dia boaty mitahiry sanda.

Misy karazana sanda samihafa (int, float, str, bool, ...sns)

Aza manomboka amin’ny isa na manampy habaka amin’ny anaran-variable.

FRONT-END & BACK-ENDRaha mba maniry ho développeur web ise dia indro atolotra an'ise ilay lalàna afaka hisafidianana . A...
23/05/2023

FRONT-END & BACK-END

Raha mba maniry ho développeur web ise dia indro atolotra an'ise ilay lalàna afaka hisafidianana .

Amin'io sary io dia misy illustration entiko hanazavana azy tsara.

📌 développeur Front-end : Ny olona manao ny front dia olona manana sens du détails , tia zavatra milamina ary vonona andany fotoana .
Raha ti ho lasa web developper front-end dia mila mahafehy HTML 5, css3 , JavaScript ( reactJs na hafa ) .
Asa miandry : Intégrateur web HTML na intégrateur web interactif na intégrateur web Cms ( WordPress ou hafa ) ........

📌 Developper web back-end : Somary plus technique satria mamorona fonctionnalités NY site web, tsy de mivaky saina , pur programmation no atao .
Raha @ sehatra dev web dia mila mahay html5 sy css3 , JavaScript , PHP , MySQL , ....sns
Afaka misafidy asa tiana atao . back-end JS ( nodeJs ) , WordPress , sy NY framework PHP ......sns
Araka izany dia tsara kokoa ny karamany back-end no izy technique be .

[Python] Lesona 1: installation MBA TIA HIANATRA PYTHON NEFA TSY FANTATRA NY TOKONY ATAO ???Alohan'ny hianatra ny langua...
30/12/2022

[Python] Lesona 1: installation

MBA TIA HIANATRA PYTHON NEFA TSY FANTATRA NY TOKONY ATAO ???

Alohan'ny hianatra ny language python dia ndao anao installation python ao @ Ordinateur ntsika.

Hoan' izay mampiasa Windows:

Tapeo ao @ google " télécharger python3 " dia ao @ site ofisialy no maka setup.

Ny fanaovana installation dia efa amin'ny sary reo.

Raha mampiasa GNU / Linux ( ohatra debian )

Efa installer miaraka ao @ system d'exploitation ny python.

Tapeo python3 ao @ terminal mba hafanao manao verification
Tandremo : raha python fotsiny no soratanao dia ilay version 2 no executer.

Raha mbola tsy installer ilay izy dia tapeo ao @ terminal ity:

sudo apt install python3
mila connexion kely an !!!

TSY MANANA MAC ;

27/12/2022

VARIABLE : PHP - PYTHON - JS

Ndao iaraka hianatra JavaScript , python art PHP.

Rehefa manao déclaration variable
JS: let nomDeVariable = valeur ;

PHP : $NomDeVariable = valeur ;

Python : NomDevariable = valeur ;
Ohatra

let x = 5 ; ( variable js )
$x = 5 ; (variable php)
X = 5 ; ( variable python)

De zay NY androany dia @ manaraka indray ✌✌✌

$

27/02/2022

Hiverina tsy ho ela !!!

Manomboka androany ilay cours JS hoany zay liana. Mandefasa MP fa mbola tsy tara.
04/11/2021

Manomboka androany ilay cours JS hoany zay liana. Mandefasa MP fa mbola tsy tara.

Tonga ny nandrasana !! manomboka 1 novembre hoavy izao dia hisy cours en groupe de 5 . Ka ireto avy ny module misy : 1- ...
25/10/2021

Tonga ny nandrasana !!
manomboka 1 novembre hoavy izao dia hisy cours en groupe de 5 . Ka ireto avy ny module misy :
1- Html sy css hoany debutant
2- css hoany olona efa mafantatra ny html sy css
3- javaScript ( fototra + DOM )

afaka tonga manao JS rah efa mahafehy css sy html.

Sarany mirary tena mirary.

Address

Antsiranana
201

Opening Hours

Monday 08:30 - 17:00
Tuesday 08:30 - 17:00
Wednesday 08:30 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:30

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mikarenjy Informatika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mikarenjy Informatika:

Share