13/11/2025
Tsy ilaina ny mifampiresaka andatabatra amina TERRORISTE. Tonga dia any Antanimora miandry didim-pitsarana!
Manana fitaovana reo amerenana fanimbana fil jirama, ka ahiana anao récidive !
Dia mila ampiharina aingana koa ilay STATUT manala ny tombotsoa tsy ara drariny an'ireo mpiasa jirama mpangalatra reo.
Antanimora direct fa mameno violon ao Tsaralalana fotsiny!
🔥🔥🔥Mpiara-miasa miisa telo no nosamborina ary atao fanadihadiana eny anivon'ny Polisim-pirenena noho ny fihoaram-pefy sy fandikan-dalàna izay mitarika ny fandranitana ny olom-pirenena, ny fanimbana fananana iombonana sy fananam-panjakana toy ny tariby mpitsinjara herinaratra, hoy ny Jirama.
🔹Ny iray amin’ireo mpiasan’ny Jirama ireo dia nosamborina omaly hariva ary ny roa kosa androany maraina.
🔹Ankoatra izay, mpiasa iray hafa ihany koa no voalaza fa noroahana noho ny tsy fanekena ny fahefam-pitantanana misy eo anivon'ny orinasa.
🔹Manamafy ny Foibem-pitantanan'ny Jirama fa tsy handefitra amin’ireo rehetra manohintohina ny fampandehanan-draharaha fanarenana ny orinasa, indrindra fa ireo manao takalon'aina ny mpanjifa.
Araho ao amin'ity rohy ity ireo vaovao mitranga eto Madagasikara : https://actu.orange.mg/