15/09/2026
Miha diso miha diso ny information miparitaka any amin'ny internet nohon'ny fisian'ny IA
Ny antony dia any amin'ny internet ny I.A no maka informations, misy ihany ny avy any amin'ireo olona nampikotrana azy fa ny ankabeazany dia avy ao amin'ny internet
Tamin'ny voalohany mbola tsy nisy I.A dia ny olom-belona no nampiditra ilay information tao. Ireo info ireo no omen'ny I.A anao rehefa manotany azy ianao, misy marge d'erreur kely dia kely amin'iny
Nohon'ny fisian'ny I.A nefa dia lasa kamo ny olona, I.A daholo indray no manao ny rédaction rehetra any amin'ny internet. Efa presque tsy contenu avy any amin'a olom-belona intsony izany no ao amin'ny fa avy amina I.A daholo, ilay info avy amina I.A nefa misy erreur kely
Lasa zavatra misy erreur izany izao no ianteheran'ny I.A, mety ho lasa olana be izy rehefa kelikely satria mety ho lasa adala izy 😅
Nahatsikaritra izany ny manam-pahaizana dia nitady vahaolana ; izay manao contenu purement I.A dia voasazy, izany hoe tsy référencé ny site web.
Efa misy détecteur mijery hoe texte avy any amin'ny I.A ve ilay nomenao.
Etsy andaniny lasa betsaka ihany koa ny mpandainga sy mpizara fausses informations ka namorona programme manokana ny orin'asa lehibe eo amin'ny sehatrin'ny technologie hanamarinana hoe contenu tena izy io. Ohatra : eto amin'ny Facebook izao rehefa sary na vidéo générée par I.A dia misy soratra mihitsy hoe AI Content mba hialana amin'ny fosika