27/08/2026
๐จ๐ณ VAOVAO MANERAN-TANY
๐ค Shina hampiditra bebe kokoa ny Intelligence Artificielle (IA) ao anatinโny fampianarana
Nanao dingana lehibe i Shina aminโny fampidirana ny Intelligence Artificielle (IA) ao anatinโny rafi-pampianarana.
๐ Araka ny drafitra vaovao napetraky ny manampahefana sinoa, ny fampianarana momba ny IA dia hampidirina aminโireo ambaratonga samihafa, manomboka aminโny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa ka hatraminโny oniversite.
๐ Tsy ny fampiasana fitaovana IA fotsiny no resahina, fa hampianarina ihany koa ny mpianatra ny fototry ny IA, ny fomba fiasany, ny fampiasana azy aminโny fianarana, ny famoronana tetikasa ary ny fampiasana azy am-pitandremana.
๐ซ Ho anโny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa, ny tanjonโny politika vaovao dia ny hahatonga ny fampianarana IA ho saika manerana ny sekoly rehetra aminโny taona 2030.
๐จโ๐ซ Hohamafisina ihany koa ny fanofanana ny mpampianatra, mba hahafahanโizy ireo mampiasa sy mampianatra ny IA aminโny fomba mahomby.
๐ฏ Tanjona: hanomana ny taranaka vaovao hifanaraka aminโny tontolo iray izay hifandray akaiky aminโny Artificial Intelligence sy ny teknolojia.
๐ฌ Raha fintinina, tsy miandry ny ho avy fotsiny i Shina fa manomboka manomana ny mpianatra dieny mbola any an-tsekoly.
๐ฒ๐ฌ Ary isika eto Madagasikara?
Manao ahoana kosa ny fahitanao sy ny hevitrao momba ny fampianarana eto Madagasikara?
๐ค Misy rafitra tokony hovaina na havaozina ve, sa efa mety sy mandeha tsara aminโizao fotoana izao?
๐ Inona aminโireo lafiny aminโny fampianarana eto Madagasikara no hitanao fa tena mila fanavaozana?
๐ผ Maro ihany koa ireo tanora nahavita fianarana, manana diplaoma, nefa mbola sahirana mitady asa na lasa mivangabao rehefa vita ny fianarana.
โ Inona araka ny hevitrao no mety ho lesoka?
Mifanaraka aminโny filร nโny tsenanโasa ve ny fianarana omena? Ampy ve ny fampianarana fahaiza-manao azo ampiharina? Sa mbola mila ovaina ny fomba fanomanana ny tanora hidirana aminโny tontolonโny asa?
๐ฃ๏ธ Tena mila adihevitra lehibe momba ny hoavinโny fanabeazana eto Madagasikara ity.
๐ Partageo ity hafatra ity ary lazao aminโny commentaire ny hevitrao.
๐ฌ Raha ianao no tomponโandraikitra aminโny fanavaozana ny fampianarana eto Madagasikara, inona no zavatra voalohany hovainao?