05/11/2023
EFA DISPONIBLE NY iOS 17.1
Ity no hanova tanteraka ny iPhone anareo.
Tao anatin'ny iray volana dia niezaka hatrany ny Apple, mamoaka, saika ho isankerinandro, amin'ny ampahany ny iOS 17.1. Tamin'ny alarobia hariva teo moa no nivoaka ny versiona ofisialin'ity iOS 17.1 ity.
Taorian'ny fivoahan'ny iOS 17 tamin'ny fomba ofisialy ny faha 18 septambra lasa teo dia maro tokoa ireo niandry fatratra ny hivoahan'ny mise à jour lehibe voalohany amin'io versiona io (dia ny iOS 17.1 izany).
IRETO AVY NY ZAVATRA VAOVAO HOENTIN'ITY iOS 17.1 ITY :
🍏AirDrop à la sauce WeTransfer
Maro ireo zava-baovao manan-danja nampidirina amin'ireo iPhone, miaraka amin'ity versiona vaovao ity, ao anatin'izany ny fahafahana manao ny transfert AirDrop amin'ny alalan'ny réseau cellulaire. Hatreto aloha dia mbola tsy maintsy manakaiky an'ilay iPhone iray raha hanatanteraka ny transfert AirDrop. Raha ny tena marina koa dia azo lazaina ho mitovitovy amin'ilay We Transfer made in Cupertino izy ity fa saingy hoe gratuit fotsiny. Mazava hoazy ihany koa fa tsy maintsy sous iOS 17.1 ilay appareil anakiroa no sady connecté au réseau cellulaire.
🍏Les Favoris débarquent dans Apple Music
Du côté an'ny Apple Music indray, les favoris font leur apparition. Afaka atao tsara ny manova ny algorithme -ny, tsindrina fotsiny hoe ireto ny hira tiako, ary ireo hira ireo ihany no mipoitra eo amin'ny bibliothèque de musique anareo.
🍏StandBy all night long
Ity fonctionnalité vaovao StandBy an'ny iOS 17 ity no hafanana mampipoitra ny réveil anakiray rehefa en Orientation paysage ilay iPhone no sady mi'charge. Amin'ny iPhone 14 Pro sy 15 Pro, izany hoe izay misy ny fonction Always-On, dia afaka atao tsara ny misafidy hoe l'écran s'éteindre après 20 secondes ou jamais.
🍏Un fond d'écran basé sur un album photo
Nanomboka tamin'ny iOS 16 dia efa azo atao tsara, amin'ny Apple ny mametraka sy misafidy sary maromaro aléatoirement amin'ny fond d'écran verrouillé. Izy io dia miovaova rehefa mikitika ilay écran, rehefa mamelona ilay écran, na koa isaky ny X segondra ohatra. Fa izany hoe mila safidiana mialoha fotsiny ilay sary tiana, amin'izao moa izy efa mihamora ny fomba fanaovana azy satria efa afaka atao ny misafidy na mi'selectionner album iray mihitsy ho atao fond d'écran. Dia mipoitra tsirairay de manière aléatoire ireo sary ireo rehefa avy eo.
🍏La Dynamic Island affiche la lampe torche
Efa mora be ny famonoana ny lampe torche amin'ny iPhone 14 Pro sy ireo iPhone 15 amin'izao. Ny logo na ny icône (izay fahaizanareo azy tsy maninona) an'ny lampe dia mipoitra eo amin'ny pilule eo amboniny amin'ny écran eo, dia afaka atao ny mamono ny lampe torche amin'ny fomba izay faraky izay haingana indrindra.
🍏VAOVAO TSARA hoan'ny... iPhone 12
Tapitra hatreo ny olana nisy teo amin'ny iPhone 12 any Frantsa. Tamin'ny andro namoahan'ny orinasa Apple ny iPhone 15, ny goverinemanta Frantsay dia nanisy paingotra mihitsy amin'ny kalitao sy ny habean'ny onde alefan'ny iPhone 12 izay mety hiteraka voka-dratsy amin'ny mpampiasa ity finday ity, izay marihina fa tamin'ny taona 2020 no nivoahan'ity farany. Nampanantena moa ny orinasa Apple fa un simple mise à jour fotsiny dia/no ahafahana manitsy io olana io, rehefa vita io MAJ io dia tafiditra avy hatrany amin'ny norme frantsay ny iPhone 12.
Araho hatrany ny pejy I² mba ahafahanao manaraka ireo vaovao manodidina ny teknôlôjika.
@à la une