19/05/2026
EXCEL DIA TSY SAROTRA FA MILA FETSIFETSY !
Fiarahana voalohany niaraka tamin’ny Ministera ny Fahasalamana ka nahitana ireo Dokotera, « paramédicaux » sy ireo ekipa teknika ! Nahafinaritra ny fiarahana !
Ato aminay rehefa hianatra Excel dia ireto ny fomba ampiasainay :
- Voalohany dia porofoinay aminareo fa ny Excel dia tsy sarotra fa ianao no mila fetsifetsy ;
- Faharoa dia ataonay izay hitiavanao ny Excel miainga amin’ny ohatra vitsivitsy ka ianao no manao izany !
- Farany dia tsy mianatra lesona rehefa mianatra Excel ato aminay ! « Logiques » sy « Reflexes » no fanazaranay ireo mpiofana.
Resinay lahatra ireo rehetra niaraka taminay ka isan’ny heno matetika ny hoe :
- Tiako ity Excel ity (andro voalohany iarahany aminay io) ;
- Matsiro izy izany !
Rehefa faramparan’ny fiofanana indray dia misy foana ny hoe :
- Tiako hianatra ato aminareo ny zanako ;
- Ianareo ve mampianatra ankizy ;
- Sns …
Mankasitraka anareo rehetra satria matoa ianareo niteny ireo dia nahafinaritra ny fiarahana !
Misaotra e !
Excel n’est pas compliqué… il suffit juste d’avoir les bonnes méthodes !
Cette fois-ci, c’est l’équipe du Ministère de la Santé – « Programme de Lutte contre les Bilharzioses » – qui a choisi de nous faire confiance pour une formation Excel avancé : Première collaboration, réunissant des médecins, des paramédicaux ainsi que des équipes techniques !
Une session marquée par de très belles satisfactions, au point que le responsable du programme a déjà manifesté son intérêt pour inscrire prochainement d’autres groupes à nos formations.
Grand Merci !