03/09/2026
Vao nividy ORDINATEUR vaovao ve ianao? AZA TONGA DIA AMPIASAINA!
Maro ny olona rehefa vao mividy ordinateur vaovao dia manokatra azy dia tonga dia mametraka logiciel sy misintona zavatra rehetra.
â Fahadisoana izany!
Raha tianao haharitra ela ny ordinateur-nao, ho azo antoka ary hiasa tsara, dia misy zavatra 7 tokony hataonao voalohany.
1ïžâŁ ATAOVY NY MISE Ă JOUR
Voalohany indrindra, jereo raha misy mise Ă jour ho an'ny Windows sy ireo pilotes.
Ny mise Ă jour dia afaka manampy amin'ny fanamboarana bugs, fanatsarana ny performance ary fiarovana ny ordinateur.
đ Aza atao tsinontsinona rehefa misy mise Ă jour importante.
2ïžâŁ ASIO ANTIVIRUS
Zava-dehibe ny fiarovana ny ordinateur-nao.
Raha Windows no ampiasainao dia jereo fa mandeha tsara ny Microsoft Defender ary ataovy mandeha ny protection.
đ Aza mieritreritra hoe satria vaovao ilay ordinateur dia tsy mila protection.
3ïžâŁ APETRAHO IHANY IREO LOGICIEL ILAINAO
Aza mametraka logiciel 20 avy hatrany satria hoe âmety ilaina any aorianaâ.
Apetraho aloha izay tena ilainao: navigateur, Word, Excel, lecteur PDF, logiciel de communication, sns.
đ Ary indrindra, misintona logiciel avy amin'ny source azo itokisana.
4ïžâŁ ESORY IREO PROGRAMME TSY ILAINA
Indraindray misy programme efa napetraka ao amin'ny ordinateur nefa tsy hampiasainao mihitsy.
Raha tsy ilaina dia azonao désinstaller izy ireny mba hanadiovana ny systÚme sy hanafahana espace.
đ Aza mamela programme tsy ampiasaina hanangona fotsiny ao amin'ny ordinateur.
5ïžâŁ AMAFISO NY SĂCURITĂ
Ampiasao mot de passe na PIN mba hiarovana ny session-nao.
Ataovy mandeha ihany koa ny verrouillage automatique rehefa tsy mampiasa ordinateur ianao.
đ Tsotra izany, fa afaka miaro tsara ny fichiers sy ny informations personnelles-nao.
6ïžâŁ ALAMINO NY FICHIERS
Aza avela hiparitaka eny amin'ny Bureau daholo ny documents.
MamorĂČna dossiers mazava, ohatra:
đ Documents
đ Images
đ VidĂ©os
đ Travail
đ Projets
đ TĂ©lĂ©chargements
đ Rehefa milamina ny fichiers dia mora kokoa ny mahita izay ilainao.
7ïžâŁ MANAOVA SAUVEGARDE
Ity no iray amin'ireo zavatra tena tsy tokony hohadinoina.
Raha manana document important, photos na fichiers de travail ianao, dia manaova sauvegarde amin'ny disque externe, clé USB na cloud.
đ Satria mety ho simba tampoka ny ordinateur, ka tsara kokoa ny manana copie any amin'ny toerana hafa.
TADIDIO:
Ordinateur vaovao â ordinateur efa vonona amin'ny zavatra rehetra.
Ny fikarakarana ataonao ao anatin'ny andro voalohany dia afaka manampy amin'ny sécurité, performance ary faharetan'ny ordinateur-nao.
Vao nividy ordinateur vaovao ve ianao? Inona amin'ireo 7 ireo no mbola tsy nataonao?
Enregistre-o ity publication ity mba hiverenanao hijery azy rehefa mividy PC vaovao ianao, ary partage-o amin'ny namana iray izay mikasa hividy ordinateur.
-------------------------------------
Tianao ve raha ianao ihany dia mahavita manamboatra ny ordinateur-nao rehefa misy fahasimbany ?
Leo mandany vola be sy ampifilafilain'ny olona foana rehefa misy fahasimbany ny ordinateur?
Ndao hianatra an'ireto 03 modules ireo : Maintenance HARDWARE/SOFTWARE/RESEAU
Prochaine rentrée samedi : 05 Septembre
Prochaine rentrée andavanandro : 07 Septembre
Sorato fotsiny hoe MHSR dia mahazo details misimisy kokoa ianao