12/09/2026
✨'NDAO HAMOKATRA BIO !
🌱 #06 — FIJINJANA SY FITANDREMANA NY SAKAMALAHO
⏳ 8 - 10 VOLANA EO HO EO no faharetan’ny fambolena sakamalaho hatramin’ny fambolena ka hatramin’ny fijinjana.
📌 Mety hiova izany arakaraka ny faritra, karazana sakamalaho, toetry ny andro ary fikarakarana natao nandritra ny voly.
1️⃣ JEREO NY RAVINY
Rehefa manomboka mavo sy maina ny raviny ary mihena ny fitomboany, dia famantarana fa manakaiky ny fijinjana.
2️⃣ JEREO NY VODINY 🌱
Jereo raha efa miforona tsara sy feno ny rhizome vao mijinja, mba hahazoana vokatra matotra sy tsara kalitao.
3️⃣ MIJINJAHA AMIM-PITANDREMANA 🧑🌾
Rehefa mihady dia tandremo sao tapaka na maratra ny rhizome, satria mety hampihena ny kalitaon’ny vokatra.
4️⃣ DIOVY TSARA
Esory moramora ny tany miraikitra aminy . Aza sasana na tehirizina amin’ny toerana mando.
5️⃣ TEHIRIZO AMIN’NY TOERANA METY 📦
Ataovy amin’ny toerana madio, maina ary misy rivotra tsara, ary saraho ireo rhizome simba na marary.
🌿FAMINTINANA:
Tany voaomana tsara → masomboly salama → fambolena marina → fikarakarana tsara → fijinjana ara-potoana = vokatra sakamalaho tsara kalitao. 🌱
💚 Mirary vokatra tsara sy fahombiazana ho an’ny mpamboly rehetra! 🧑🌾🌾
✅ GLOBAL AGRI - BIO:
🏪 Ampandrana à côté cité Pérrier
☎️ +261 38 97 847 51
📱 WhatsApp 033 05 011 00
📧 [email protected]