31/10/2025
NY MAHA ZAVA DEHIBE NY FIANARANA WORD AVANCEE
Tena zava-dehibe tokoa ny fianarana Word avancé, indrindra ho an’ny olona miasa na mianatra amin’ny sehatra misy informatika sy taratasy ofisialy. Ireto ny zava-dehibe sy antony mahatonga azy ilaina:
🌟 1. Fahaiza-manao matihanina
Ny fahaizana Word avancé dia manavaka ny olona matihanina amin’ny asa birao. Izy io no manampy anao hahavita asa haingana sy madio kokoa noho ny hafa.
Ohatra :
👉🏻Famoronana modely automatique (model de rapport, convocation, CV, sns.)
👉🏻Fampiasana styles sy table des matières automatique.
👉🏻Fampidirana formulaires, liens hypertextes, sy signatures numériques.
⚙️ 2. Fampitomboana ny hafainganam-piasa
Amin’ny ambaratonga avancé dia mianatra mampiasa raccourcis sy automatisation ianao, izay manafaingana be ny asa.
Ohatra :
👉🏻Raccourcis clavier hanamboarana format haingana.
👉🏻Publipostage (mail merge) hanaovana taratasy an-jatony indray mandeha.
👉🏻Macros hanatanterahana asa miverimberina ho azy.
🧾 3. Fahaiza-manao amin’ny antontan-taratasy ofisialy
Amin’ny asa maro (fitantanana, sekretera, administratif, sns.) dia mitaky taratasy ofisialy tsara rafitra. Word avancé dia manampy amin’ny:
👉🏻Fikarakarana rapport professionnel, mémoire, thèse, sns.
👉🏻Fampidirana lohateny, anaram-bintana, sary, tabilao, sy index amin’ny fomba automatique.
👉🏻Fanamboarana page de garde sy numérotation automatique.
💼 4. Fampitomboana ny vintana amin’ny asa
Ny fahafehezana Word avancé dia manampy anao amin’ny CV ho “plus compétitif”.
Maro ny orinasa sy fikambanana mitaky olona mahafehy tsara Word (avancé) amin’ny toerana toy ny :
👉🏻secrétaire / assistant administratif,
👉🏻enseignant / étudiant universitaire,
👉🏻technicien en bureautique,
👉🏻responsable documentation
🧠 5. Fampivoarana ny fahaiza-misaina sy ny fahaleovan-tena
👉🏻Izahay ato @ CFP USERS INFO ,dia manampy anao ary afaka manofana anao ho lasa matianina @ izany word avancé izany...