03/08/2026
Tsy misy teny afaka hamafa ny alahelo ateraky ny afo, fa misy fo afaka mijoro miaraka aminareo.❤️
Abd Création Tamatave dia maneho ny firaisankina sy ny fampaherezana ho an'ireo mpivarotra rehetra ao Bazary Kely nirehitra afo.
Na rava aza ny fananana sy ny toeram-pivarotana, tsy rava ny herim-po, ny fahavononana ary ny fanantenana.
Mirary hery, faharetana ary fiverenana matanjaka ho anareo izahay. Mino izahay fa hiarina indray ianareo, miaraka amin'ny firaisankina sy ny fanohanantsika rehetra.
Miaraka aminareo izahay. 🤍