RADIO OASIS 106.4 Vakinankaratra

RADIO OASIS 106.4 Vakinankaratra RADIO OASIS 106.4 FM
ADVENTIST WORLD RADIO
RÉGION VAKINANKARATRA
SIÈGE: ANTSIRABE

27/09/2024

Antsan-kira Groupe Fanantenana
Zoma 27 Septambra 2024

24/03/2023

AOKA HOBEAZINA NY FON'NY ZAZA

" Ny manabe ny saina kanefa tsy manabe ny fo , dia tahaka ny tsy manabe ihany " , hoy i Aristote , ilay filôzôfa malaza fahizay .

Ny fanabeazana ny fo no adidin'ny ray sy ny reny voalohany amin'ny zanany , dieny mbola any am- bohoka izy . Dia ny manao izay hahatsapan'ny zaza fa olona tiana izy ; ekena ny fisiany . Beazina izy mba ho afaka hizara fitiavana amin'ny hafa ihany koa .

Ny fitiavan- tena ratsy , ny fanambanian- tena , ny famonoan- tena , ny fankahalana sy ny herisetra atao amin'ny hafa , dia tsy avy aiza tsy akory , fa vokatry ny tsy fisian'ny fanabeazana ny fo hatrany amin'ny fahazazana kely .

Tsy ho afaka ny hanome ny tsara ho an'ny tenany sy ho an'ny hafa amin'ny zavatra tsara tsy nomena azy mihitsy ny zaza .

Ny zaza tezaina ao anatin'ny fangejana , ny tahotra sy ny horohoro ; ny zaza zarina amin'ny fandevilevena sy ny fanamelohana lava ; ny zaza tsy raharahiana , dia hanao tahaka ny vanja milevina , ka ho zava- doza ny haterany rehefa tonga ny andro hampipoaka azy .

Averina ihany , fa ny fanabeazana dia resaka fifandraisana aloha . Ny fifandraisana tsara dia manampy ho amin'ny safidy tsara ataon'ny zaza .

Miantoka ny mahavanona ny olona iray manontolo ny fanabeazana ny fo , satria " avy ao aminy no iavian'ny aina . "
Ohabolana 4 : 23b

Raoeliarijao

15/03/2023

MANABE ANTSIKA KOA NY ZAZA

Tsy manabe ny zaza ihany isika satria ray aman-dreny ; fa manabe antsika koa ny zaza mba hahatonga antsika ho ray aman-dreny .

Manabe antsika hitombo fitiavana ny zaza .
Manabe antsika handray andraikitra izy .
Manabe antsika hanana faharetana izy .
Manabe antsika hanana fandeferana izy .
Manabe antsika hahay mihaino izy .
Manabe antsika ho tsotra sy marina izy .
Manabe antsika hahay manetry tena ny zaza.

Mandritra ny androm-piainantsika dia mianatra ny maha- ray aman-dreny isika amin'ny alalan'ny fifandraisantsika amin'ny zanatsika .

Raoeliarijao

03/03/2023
27/01/2023

Healing VOICE

06/12/2022

IREO ZAVATRA DIMY (5)
TENA ILAIN'NY ZAZA

Tsara ny hahafantarantsika ray aman-dreny ireo filan'ny zaza , izay miara- miasa mba hampivelatra amin'ny fahafenoany ny maha-olona azy : ara-batana , saina , fanahy , fiaraha- monina , ara-pihetseham-po .

Anisan'ireo zavatra tena ilain'ny zanakao ireto dimy (5) tanisaina manaraka ireto :

1) Mila fihetsehana ny zaza : mihetsika , mandady , mandeha , mihazakazaka , mitsambikina , sns . Ara-dalàna ny fihetsehan'ny zaza tahaka izany , izay midika ihany koa fa salama izy .

2) Mila fifandraisana amin'olona ny zaza : miresaka , mitantara , maneho hevitra , henoina , mihomehy , sns . Ny rainy sy ny reniny no olona voalohany tokony hifandray tsara amin'ny zaza ; dia izay vao ny namana sy ireo olon-kafa .

3) Mila lalao ny zaza : aminy dia tsy fandaniana andro na fialam- boly ny lalao fa fiainany mihitsy . Ilainy ny milalao samirery , fa ilainy tahaka izany koa ny miara- milalao amin'ny hafa .

4) Mila fiarovana ny zaza : satria mbola marefo amin'ny lafin-javatra maro izy , dia mila olona afaka ny hiaro azy . Ny ray sy ny reniny no olona inoan'ny zaza fa azony antoka indrindra hiaro azy eo amin'ny fiainana . Ao anatin'io fiarovana io ny filaminana sy ny fitoniana ao an-tokantrano .

5) Mila fifandraisana amin'ny zavaboary ny zaza : milalao amin'ny tany , fasika ; mifandray amin'ny rano , ny vato , ny zava-maniry , ny hazo , sy ireo biby maha te ho tia . Mitaiza ny fihetseham-pon'ny zaza ny fifandraisana amin'ny zavaboary no sady maneho aminy rahateo ny asatanan' Andriamanitra .

Satria filana voajanahary ho an'ny zaza ireo zavatra dimy (5) ireo dia adidintsika ray aman-dreny ny miezaka manaiky sy manao izay hahatanteraka izany araka izay azontsika atao .

Raha mitady na manao ireo zavatra ireo ny zanakao dia aoka tsy horaisinao ho ditra na filana vaniny akory izany . Mifalia fa ara-dalàna tsara izy .

Mila fandeferana kely sy faharetana betsaka avy amintsika ny zaza . Mila fanaraha- maso tsara ihany koa anefa .

Raoeliarijao

Address

Eglise Adventiste Du Septième Jour Tsarasaotra (Terrain Karmaly)
Antsirabe
110

Telephone

+261345056469

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RADIO OASIS 106.4 Vakinankaratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to RADIO OASIS 106.4 Vakinankaratra:

Share