Mi-Tily Kisaritao

Mi-Tily Kisaritao ✅ Hai-tao Tily

Araka ny fangatahana nataonareo dia mbola mitohy ny Fisoratana anarana.‎‎📆 11 Jona 2026 amin'ny 05 Ora hariva.Fanamariha...
08/06/2026

Araka ny fangatahana nataonareo dia mbola mitohy ny Fisoratana anarana.

‎📆 11 Jona 2026 amin'ny 05 Ora hariva.

Fanamarihana: alefa miaraka amin'ny fisoratana anarana ny saram-pisoratana anarana :
Mvola : 034 45 090 65 ( Frédéric )

Orange Money ‎: 032 87 108 40 (Nirina Sitraka)

‎✅Ny andinindininy rehetra sy ny fisoratana anarana dia azon'ise raisina ato amin'ny rohy: https://forms.gle/a2q4yDezRfoMJtnbA

‎Fifandrasana (WhatsApp): 033 71 889 07( Haingo)
‎038 46 809 33 ( HOEBY Mietry)


‎🎨 Mi-Tily Kisaritao  ( Scout Designer) 🎨‎‎Efa henonin'ise ve no momba izany.‎‎😊 Hisy ny  Fihaonana mivantana izay hampi...
02/06/2026

‎🎨 Mi-Tily Kisaritao ( Scout Designer) 🎨

‎Efa henonin'ise ve no momba izany.

‎😊 Hisy ny Fihaonana mivantana izay hampivondronana sy hifampizarana traikefa momban'ny Kisaritao (Design et Graphisme) hotanterahana ny:

‎📆 13 Jona 2026
‎📍Espace Hélodée Andoharanofotsy
‎🕢 Fandraisana amin'ny 07 ora 30 minitra


‎🫴Anasana ny Beazina, Mpiandraikitra, Filoha manana Talenta amin'izany Kisaritao izany.

‎✅Ny andinindininy rehetra sy ny fisoratana anarana dia azon'ise raisina ato amin'ny rohy: https://forms.gle/a2q4yDezRfoMJtnbA

‎Fara-fisoratana anarana: 06 Jona 2026 amin'ny 00:00

‎Manantena fahatongava an'ise izahay.

‎Mandrapihaona indray anie , Tanana havia!


« Fa voavono Kristy, P***a ho antsika »- I Kor 5:7BMirary p***a feno fandresena ho an’ise sy ny ankohonan’ise!❤️
05/04/2026

« Fa voavono Kristy, P***a ho antsika »
- I Kor 5:7B

Mirary p***a feno fandresena ho an’ise sy ny ankohonan’ise!❤️

✒️ Mi-Tily kisaritao ✒️Inona ry ise izany ? 🤔 👉Fivondronan’ny tily manana fitiavana manokana amin’ny fanaovana kisary na...
21/02/2026

✒️ Mi-Tily kisaritao ✒️

Inona ry ise izany ? 🤔 👉Fivondronan’ny tily manana fitiavana manokana amin’ny fanaovana kisary na design

Inona ny andraikiny ? 📎
👉Izy io dia natao hanangonana ireo Tily manan-talenta amin’ny sehatry ny famoronana 👉mba hampivelatra ny fahaiza-mamorona sy hampiasana izany ho fanompoana ny fiaraha-monina sy ny fikambanana.

Inona ny tanjony ? 🏆
👉Hampiroborobo ny talenta ara-javakanto eo amin’ny Tily
👉Hanampy amin’ny fampahafantarana sy fanatsarana ny endriky ny asa Tily
👉Hampiasa ny kisary sy ny sary ho fitaovana fampitana hafatra.

Raha mbola misy fanontaniana tian'ise ho valianay dia alefaso ao amin'ny commentaire fa ho valinay 🫡
Misokatra ho an’ireo Tily rehetra manana fahavononana sy finiavana hianatra sy hifampizara traikefa ny Mi-Tily kisaritao.

🎨 Mi-Tily Kisaritao / C'est Haingo

📍15 Febroary 2026 | Alahadin'ny FSFLM 🔸️Anio no natokan'ny Foibe FLM ho Alahadin'ny FSFLM rehetra manerana ny nosy🇲🇬🔸️Is...
15/02/2026

📍15 Febroary 2026 | Alahadin'ny FSFLM
🔸️Anio no natokan'ny Foibe FLM ho Alahadin'ny FSFLM rehetra manerana ny nosy🇲🇬

🔸️Isika Tily eto Madagasikara dia miara-miasa amin'ireo Synodam-piangonana iorenan'ny MTEM amin'ny famolavolana ny ankizy sy tanora beaziny mba ho Vavolombelon'i Jesoa Kristy, Olom-pirenena vanona ary ho andrin'ny fianakaviana.
Ho an'ny any amin'ny Fivondronana, sady Sampana ao anatin'ny Fiangonana isika no Sampana ato anatin'ny Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara (MTEM) .

🔸️Ny Alahady natokana ho an'ny Sampana, tahaka ny Alahadin'ny SAMPATI, FSFLM, SFTIMPA, SKOA, SATIMPA no fotoana iray hanehoana fa sady zanaky ny Fiangonana isika no zanaky ny MTEM, izay ao anatin'ny Fianakaviam-ben'ny Skotisma maneran-tany.

🔸️ Mifamatotra tanteraka tsy afa-misaraka ny maha-Tily sy ny maha-zanaky ny Fiangonana.

Mirary soa ho an'ny FSFLM rehetra 🙏


📣 Antso ho an’ise!🫵🚀Ho an’ise tia mikirakira teknolojia, na mianatra momba izany: kisaritao, feo, fitantanana pejy, horo...
09/02/2026

📣 Antso ho an’ise!🫵

🚀Ho an’ise tia mikirakira teknolojia, na mianatra momba izany: kisaritao, feo, fitantanana pejy, horonantsary, sary pika, asa soratra sy fanoratana, informatika.

🎯Sady sehatra ahafahan’ise mitrandraka talenta, sy mampiroborobo ny fivoara-tenan’ise.😉

🤩 Tongava manatevin-daharana ny:
🎨Mi-Tily kisaritao
🎙️Mi-Tily Feo
🤳Mi-Tily CM( Community Manager)
📸 Sary Pika
💻Mi-Tily Dev
📝Mi-Tily Soratra
🎬Mi-Tily horonantsary

📍Misoratana anarana an-jotra ato: https://docs.google.com/forms/d/1N6eK3cQSI-9j_ssAA-Gv1jz7GgY6od3QQd8hBgBTl4k/preview, mialohan’ny 28 Febroary 2026.

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mi-Tily Kisaritao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share