07/11/2025
Beronono Imerintsiatosika: Misy manorina tamboho eo afovoan'ny lalana.
Gaga ny Mponina raha nahita ireo maçon miady fototra tamboho eo afovoan'ny arabe. Rehefa nantonina ny tompon'ny fanorenana dia nilaza fa efa nanatrika teo ny lehiben'ny fokontany ka nanaiky izany.
Ity lehiben'ny fokontany ity moa izay vao notendrena vao tsy ela nandritra ny fitondrana teo aloha, ary efa nisy fanoherana nataon'ny mponina tamin'izany fanendrena izany.
Raha tsiahivina dia tanin'ny Karting ity lasan'ity mpanorina ity, ny lalana anefa dia efa teo taloha lavitra ny nanorenana ny karting. Ity fototra tamboho ity, izay efa ho tafiditra 2 metatra anatin'ny lalana. Tery dia tery araka izany ny lalana sisa tavela ka tsy ahafahan'ny fiara vaventy mifamezivezy intsony, na ireo fiara majinika aza dia sahirana satria lasa any anaty tatatra no tsy maintsy mandeha.
Na dia nisy aza ny fanantonana ny tompon'ny tany mahakasika ny fanoherana ny fanorenana, dia mbola manohy ny asa hatrany izy ireo, ary miroso amin'ny fototra vato.
Mitaraina arak'izany ireo mponina fa mahatsiaro ho atody miady amim-bato ihany amin'izao raharaha izao.
Manaitra ny tompon'andraikitra mba hijery akaiky ny toe-draharaha:
Ny Commune Imerintsiatosika, Ny Depiote Rajerison Antoine ofisialy.
Zarao mba ho hitan'ny tompon'andraikitra.
Fitarainana voaray tanaty hafatra miafina.
Free Madagascar