Mahefa Mpanoratra

Mahefa Mpanoratra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mahefa Mpanoratra, Analakely, Antananarivo.

Fony isika nampiaraka dia nanambara ianao fa mitady mpanao lava-drano ianareo. Nisaraka isika ankehitriny...Nataonao ana...
31/08/2026

Fony isika nampiaraka dia nanambara ianao fa mitady mpanao lava-drano ianareo.
Nisaraka isika ankehitriny...Nataonao anaty lisitra mainty ny laharako. Tsy afaka miantso sy ny sisa. Niova laharana aho ...

Dia nasiako hoe " Mpanao lavadrano" eo aminy andrinjiro akaikinareo. Loza, i Dadanareo indray no niantso fa tsy ianao.

Mahefa

Voir plus...

Misy an'ity hetsika matsiro be ity. Manasa anareo namako aho.Antsa tononkalo maimaim-poana ao amin'ny Cgm ny Sabotsy 19 ...
27/08/2026

Misy an'ity hetsika matsiro be ity. Manasa anareo namako aho.

Antsa tononkalo maimaim-poana ao amin'ny Cgm ny Sabotsy 19 septambra ho avy izao.

Tongava fa tsara sy kanto io an.

Nandalo tetezamita ny tantaram-pitiavako ary olom-boatendry no mitondra ny foko. Tsy ilay nofidiana tao anatin'ny maro k...
25/08/2026

Nandalo tetezamita ny tantaram-pitiavako ary olom-boatendry no mitondra ny foko. Tsy ilay nofidiana tao anatin'ny maro ka nahazo isan-jato be dia be...

Mahefa in Hasambarana Nofaina (Takila faha 67)

Voir plus...

MANILANA Mety hahazo oroka ianao anyMaraina, antoandro, harivaMety hahazo teny mamyAmin'ny feo kanto sady ivaMety hahazo...
21/08/2026

MANILANA

Mety hahazo oroka ianao any
Maraina, antoandro, hariva
Mety hahazo teny mamy
Amin'ny feo kanto sady iva

Mety hahazo izay ilaina
Ny vatanao rehetra
Mety hahazo sombinaina
Rehefa matin''ny hetaheta

Fa hafa ihany ilay mahazaka
Ny ianao milongilongy
Izaho ilay mampitraka
Rehefa ianao midongy

Izaho ilay olona ory
Natakalonao fa tonta
Ny namako matory ?
Katsatsaka sy moka

Mahefa in Mandrava Sarotra

Voir plus...

Zava-poana ny fitiavana rehefa tsy mahay mitia sy tiavina ny olona iray. Mahefa in Vatovavy Voir plus...
15/08/2026

Zava-poana ny fitiavana rehefa tsy mahay mitia sy tiavina ny olona iray.

Mahefa in Vatovavy

Voir plus...

147 BNitokona nanaraka ny vatany any honoIreo fofon'ny fitia tsirambin'ny molotroNataony tsara ambina anatiny mifonoNy a...
13/08/2026

147 B

Nitokona nanaraka ny vatany any hono
Ireo fofon'ny fitia tsirambin'ny molotro
Nataony tsara ambina anatiny mifono
Ny ambin'ny veloma saika tsy voatolotro

Oroka miserana
Dodosan'ny milin'ny fiara fitaterana

Mahefa aogositra 2026

Voir plus...

10/08/2026

Soloy ny anarako ny anaranao rehetra afa-tsy fanampiny
(Mahefa in Vaky Siny)
Voir plus...

OLOM-BOAVONJYManana aretina ianao Raha jerijereko amin'izao Fanina tsy mahajoro irerySy miraikitra rehefa mitenySomary m...
07/08/2026

OLOM-BOAVONJY

Manana aretina ianao
Raha jerijereko amin'izao
Fanina tsy mahajoro irery
Sy miraikitra rehefa miteny
Somary misy hafanana
Sy tosidra miakatra kely
Tsara manao akanjo manify
Esory izay maneritery
Aretina mpahazo ny fo
No marika manome hovitra
Mifangaro aretin'ny loha
Sy fitia an-tsoson - koditra
Somary reraka kely
Ka mila mitsotra maharitra

Ary indro ny...
Tsindrona manala hidihidy
Sy ody oroka eo anelanelany
Tsy vitako eto ianao
Fa alefako any ivelany

Mahefa Aogositra 2026

Voir plus ...

Ny olana ankehitriny dia samy manana ny marina sy ny hitsiny ho azy ny tsirairay. ..Mahefa in Hasambarana Nofaina Voir p...
06/08/2026

Ny olana ankehitriny dia samy manana ny marina sy ny hitsiny ho azy ny tsirairay. ..

Mahefa in Hasambarana Nofaina

Voir plus...

Matahotra ny fiverenany aho sao sanatria hiserana eny an-tsefaky ny hasambarana katsahiny ny latsa tsy niniako fa anjara...
01/08/2026

Matahotra ny fiverenany aho sao sanatria hiserana eny an-tsefaky ny hasambarana katsahiny ny latsa tsy niniako fa anjara tsy azo lavina.

Mahefa in - Vatovavy
(Tantaraforonina)

Address

Analakely
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mahefa Mpanoratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share