Tests Produits Vendus Sur Fb Tana-Mada

Tests Produits Vendus Sur Fb Tana-Mada Avec l'avènement des ventes en ligne sur FB, on ne sait plus quels produits sont fiables. Ce sont juste des avis, vous restez maître de votre achat.

Ceci est un plateforme de partage de retours d'expériences sur les différents produits achetés sur FB.

Efa nozaraina tetsy aloha ny momba an'ity Pejy mpisoloky manaraka ity efa ho 1 taona mahery izay.Fa averina zaraina eto ...
03/09/2025

Efa nozaraina tetsy aloha ny momba an'ity Pejy mpisoloky manaraka ity efa ho 1 taona mahery izay.
Fa averina zaraina eto indray satria dia miverina miezaka misoloky antsika Malagasy (indrindra ireo any @ faritra) indray ity pejy manaraka ity.

Ity no anarany amin'izao ora anoratana izao :
https://www.facebook.com/th.ZZ.CNN.f

io dia afaka ovainy, fa ny tsy afaka ovainy dia ity :
https://www.facebook.com/109147738580837

Tsiahivina fa tsy misy eo Analakely io fivarotana io, tsy afaka antsoiny io nomerao io (izay no mahatonga azy ho tsy maintsy Whatsapp na Messenger)

Ireo NIF sy STAT soratany ireo dia tsy mi-existe ihany koa ....

Marihina fa tambanjotra anà scammers (mpisoloky) avy any Etazonia, Inde, United Kingdom ary eto Madagasikara no miray tsikombakomba manao azy io.

Manainga antsika HANAPARITAKA sy HIZARA amin'ny hafa fa mampalahelo no mahita olona mbola tafajoboka manontany sy manafatra amin'izy ireo.

04/12/2024

Olona milaza ho "Mpivarotra Compte Premium" ! ...
Tandremo fa mpisoloky.
Manao publication sponsorisé izy, milaza ho mivarotra comptes : Udemy, Adobe, ChatGPT, Coursera, TradingView, Figma ...
Marihina fa TSY izay rehefa mivarotra compte Premium no mpisoloky (misy amin'izy ireny no azo itokisana, manana NIF sy STAT), fa sendran'ny iray manokana.

Ankehitriny ity mpisoloky ity dia efa nanokatra pejy maromaro izy : 2.4, 2.6 .... sns
Manodidina ny 20 000 Ar sy 30 000 Ar eo no alainy aminao, raha hoe 1 volana. Maka lafo kokoa izy raha mody ataony hoe 3 volana na 6 volana na 1 taona. Ny sasany moa dia 5 000 AR (Francs no publication ataony moa matetika) (Netflix, Disney, Prime, ...)

Ny fandrika nefa dia compte DEMO gratuit no omeny anao. Manokatra email izy ary manana carte virtuelle, miaraka amin'ireo dia afaka manokatra compte démo gratuit izy, voafetra hoe 14 andro na 1 volana ireo compte Demo ireo.

Ianao raha tsy mailo dia mihevitra hoe compte maharitra amambolana na 1 taona iny. Ka mety nanome azy vola misimisy. Rehefa tapitra nefa ny maha Démo ilay compte (14 jours - 1 mois), dia mikatona ilay comptenao satria efa esorin'ilay mpisoloky mialoha ny carte.

Mazava ho azy fa efa hain'ity mpisoloky ny manafina ny commentaire an'ireo izay mitaraina ary izany ihany koa no manosika azy hanokatra compte maromaro asiany nomerao hoe 2.4 , 2.6 sns

Marihina koa fa ny compte amidiny (na dia efa demo izay aza) dia zarazarainy amin'ny olona maro izay voafitany eo.

Fizarana avy amin'ny namantsika.Nividy ity seza ity izy ireo fa vao nipetrahana indray mandeha dia simba.Asa raha misy h...
12/05/2024

Fizarana avy amin'ny namantsika.

Nividy ity seza ity izy ireo fa vao nipetrahana indray mandeha dia simba.

Asa raha misy hafa mananan-kambara momba ity seza ity ireo hafa izay manana toa azy.

CHAISE DE BUREAUMety samy efa nahatazana annonce momba ity modely anà Chaise de bureau iray ity isika.280 000 Ar eo ny v...
08/05/2024

CHAISE DE BUREAU
Mety samy efa nahatazana annonce momba ity modely anà Chaise de bureau iray ity isika.
280 000 Ar eo ny vidiniy misy appuie-tête ary 240 000 Ar raha tsy misy fiankinan-doha.
Ny olana moa dia mahita sary isika dia mi-commande. Indraindray izy mbola démonté no aterina any amintsika.
Ny olana amin'ny zavatra toy itony dia tsy hita ao anatin'ny 10 minitra na ora iray ny mampety tsara azy aminao na tsia.

Ny azo ambara dia, raha nividy amampolo ny tao ampiasana ka nifandrombahana izany tamin'ny vao tonga, afaka tapak'andro dia samy namerina ny azy daholo ireo nifandrombaka fa tsy mahazo aina sy milaza mankarary lamosina ilay modely iray io.

Ny tenanay dia anisan'ny voa ary manamafy izany. Raha toa seza handraisana vahiny tsy mipetraka ora maharitra dia mety izy. Fa raha seza hipetrahanao 8 ora isan'andro eo amin'ny birao, dia tsapanay fa tsy dia ahazoana aina izy.

Izay no azonay zaraina. Sarotra moa ny hamerina entana afaka tapak'andro hoe tena tsy mety aminay indray ireo seza fa aleo hiverina. Marihina fa io modely io ihany no resahina eto (io exactement) fa tsy modely hafa.

TANDREMO ARY APARITAHO fa ARNAQUEURNormalement isika tsy miteny anarana mpivarotra, fa ity kosa dia efa tena Mpisoloky m...
07/05/2024

TANDREMO ARY APARITAHO fa ARNAQUEUR

Normalement isika tsy miteny anarana mpivarotra, fa ity kosa dia efa tena Mpisoloky mihitsy no manana page FB ary ireo olona mipetraka any amin'ny faritany no tena lasibatra.

Io toerana io dia tsy misy ao Analakely fa lainga io.

Ireo NIF sy STAT ireo dia tsy misy velively.

Io numéro Orange io rehefa antsoina dia tsy mandeha. Compte Whatsapp no ampiasainy (havanana amin'ny informatique ilay olona, efa hainy ny pitsopitsony tsy hahatratrarana azy).
Raha mandray andraikitra ny Polisy mety afaka fantarina ihany iza no tompon'io Nomerao io teo aloha.

Ary manao partage amanjatony any amin'ny province izy satria ireny no lasibatra, asainy mandoa vola sy frais sns mazava ho azy.

Ary rehefa tsy metimety aminy ny commentaire soratanao dia fafany ary bloquerny ianao.

Ary jereo ny publication fa misy misy 480 commentaires hono, fa rehefa jerenao ny commentaires dia tsy misy itanao satria hafeniny.

https://www.facebook.com/109147738580837/

LUNETTES CAMERA HD ...TANDREMO ihany satria ...Manao enregistrement tokoa izy.Sarotra ampidirina ny carte, ary ny mamoak...
07/05/2024

LUNETTES CAMERA HD ...
TANDREMO ihany satria ...
Manao enregistrement tokoa izy.
Sarotra ampidirina ny carte, ary ny mamoaka vao maika tena sarotra.
Mora tapaka ilay solomaso.
Raha ilay cable no hamindrana ilay video mankao amin'ny ordi dia tena ela dia ela ny débit de transfert (USB 1 angamba).
Fa ny azo lazaina hoe famitahana amin'ity dia ny filazana fa HD ilay video na Full HD.
Ny video filmé dia tsy tsara qualité, feno bruits ary indrindra indrindra TSY HD na full HD fa dia KELY lavitra mihitsy ny résolution.

Koa zoanao ny mitest, fa izay Résolution izay testena ary jereo amin'ny Ordi mihitsy rehefa avy eo, raha manaiky ny mpivarotra. Ho hitanao avy eo ka raha mahafapo anao ilay résolution dia arahaba soa. Fa raha nividy izahay ka nanandrana dia nahatsiaro ho voafitaka satria tsy HD velively ny video azonay.

07/05/2024

Azontsika atao ny mandefa retour d'expérience amin'ny entana novidiantsika teto amin'ny FB. Marihina fa tsy manonona ny anaran'ny mpivarotra isika. Fa ny entana amidy kosa no resahintsika, na ny fomba nivarotan'ny mpivarotra tamintsika.

Ny anisan'ny tena ifantohantsika dia ireo varotra "Mpivarotra" -> "Particuliers", fa tsy dia ny sera "Particuliers"->"Particuliers" loatra.

07/05/2024

TANDREMO : Boutique matériels Infos, mivarotra matériels informatiques Haut de gammes (Carte mère 12/13/14e gen, processeur, souris, casques ...), lazainy fa vaovao nefa rehefa livreny any aminao dia tsy misy carton, tsy misy accessoires (mody lazainy fa vita test).

Tsy misy garantie, tsy manome facture (tsy misy NIF/STAT).
Na ireo entana aza misy tsy ampy nefa dia lazainy fa "vaovao vita test". Hanamarinany ilay izy tsy sous carton dia lazainy fa natao test.

Rehefa afaka andro vitsy ka mipoitra ny olan'ilay matériel, dia odiany fanina fotsiny ianao, ... tsy misy garantie sns fa mila mividy vaovao hono ianao.

TOROHEVITRA : Aza manaiky raha tsy sous carton, scéllé. Eo ambanin'ny masonao no desceller-na.
Raha tsy te ho voa mafy dia aminà boutique manome facture, manana NIF/STAT mividy entana lafo.
Tsy misy vaovao vita test tsy ambanin'ny masonao izany. Tsy vaovao izy izany.

Mety itantsika eto @ FB eto misy publication hoe "Robot aspirateur et vadrouille".Rehefa niantso ny mpivarotra dia nanam...
07/05/2024

Mety itantsika eto @ FB eto misy publication hoe "Robot aspirateur et vadrouille".
Rehefa niantso ny mpivarotra dia nanamafy izy fa mi-aspirer izy io ary azo videna ny vovoka izay trohany. Lazainy fa amin'ny maha aspirateur azy dia azo "videna" tokoa ny bac ao rehefa feno.
Natao ary ny commande, naloha ny vola vidiny (120 000 AR eo ho eo) sy livraison. Ny entana moa mbola scellé ary nilaza ireo mpivarotra fa mbola tsy nosokafany mihitsy ilay izy ka na ny dimension aza tsy hainy fa arrivage io. Izany hoe voaloha ny vola vao azonao sokafana ny boîte ... ary tsy maintsy chargerna 6h aloha vao ampiasaina.

Vokatry ny fanandramana :
Ilay izy tompoko dia TSY MISY ASPIRATEUR VELIVELY fa mamafa amin'ny chiffon (vadrouille) fotsiny.
Eny, migorisarisa ilay izy ary mihodina ilay izy. Ny fanadiovany izany dia io vadrouille io migorisarisa mitety surface.

Tsy ratsy akory izay, fa ny filazana fa mi-aspirer izy no famitahana. Ary raha jerentsika ny sarin'ny notice dia misy milaza ihany koa ao fa "Robotic Vacuum Cleaner" no anarany. Izay midika fa manao aspiration sous vide izy. Nefa araka ny fanazavana dia DISO izany.

Koa raha aspirateur no tadiavinao dia ho diso fanantenana ianao, fa raha zavatra migorisa mamafa amin'ny vadrouille kosa (izay manao va et vient, ka indraindray mety vao maika manaparitaka ny loto amin'ny toerana efa voafafa) no tadiavinao dia mety aminao ity.

Izay tompoko ny androany.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tests Produits Vendus Sur Fb Tana-Mada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share