Tafita CASH POINT

Tafita CASH POINT Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tafita CASH POINT, Mananara Avaratra, Antananarivo.

15/08/2026

🎥 IREO FOMBA FIASAN'NY MPISOLOKY SY
✅ IREO FOMBA TOKONY HOSOHOHAN'NY CASH POINT IZANY.


12/08/2026

AHOANA NO AHAFAHANA MIASA AMPILAMINANA?
Tafita CASH POINT



EFA FANTATRAO VE ITY?ANDRAMO EE.Amin'ny 10 ora rahampitso video vaovao tena miavaka, aza tara aaa.araho hatrany ny pejy
11/08/2026

EFA FANTATRAO VE ITY?
ANDRAMO EE.

Amin'ny 10 ora rahampitso video vaovao tena miavaka, aza tara aaa.
araho hatrany ny pejy

10/08/2026

🔥 TE HO LASA CASH POINT VE IANAO? 🔥

Ireto no dingana fototra tsy maintsy omaninao:

📍 1. TOERANA
Misafidiana toerana hitan’ny olona, be fivezivezena ary mora idirana.

📱 2. FINDAY
Mila finday azo antoka, mandeha tsara ary voaaro amin’ny fampiasana andavanandro.

💰 3. FOND
Manomàna renivola ampy hahafahanao mamaly haingana ny filan’ny mpanjifa.

🧾 4. NIF / STAT
Karakarao ny antontan-taratasy ilaina mba hahafahanao miasa amin’ny fomba matotra.

📲 5. PUCE
Mila PUCE MARCHAND / CASH POINT mifanaraka amin’ny service hampiasainao.

🎓 6. FORMATION
Mianara tsara ny fomba fiasa, fiarovana ary fitantanana transaction alohan’ny hanombohana.

🔥 CASH POINT MATOTRA = TOERANA + FOND + FITAOVANA + FAHAIZA-MANAO.

💪 Aza manomboka fotsiny… FA MANOMBOHA AMIN’NY FANDAMINANA!




Ny resak'izy roa 🥰RAHAMPITSO NY FOTOANA Araho ny pejy Tafita CASH POINT
09/08/2026

Ny resak'izy roa 🥰
RAHAMPITSO NY FOTOANA
Araho ny pejy Tafita CASH POINT

09/08/2026

IZAO NO ATAO HOE FISOLOKIANA
hoan'izay mbola tsy mahafantatra
Araho hatrany ny pejy Tafita CASH POINT fa misy fampianarana momba ny CASH POINT fona hatrany.

RY CASH POINT MALALA!TANDREMO ⚠️ Asehoy ny hevitrao 🗨️
05/08/2026

RY CASH POINT MALALA!
TANDREMO ⚠️ Asehoy ny hevitrao 🗨️

04/08/2026

🎬 Mamerina CANAL+ fotsiny... sa 2 000 000 Ar? Anjaranao ny misafidy. 😉

Aloavy amin'ny MVola ny réabonnement CANAL+ anao, ary mahazoa 30 andro Tout CANAL+, sady mandray anjara amin'ny fisarihana.

💰 Mety ho anao ny 2 000 000 Ar!

📲 Tsindrio ny #111*1*5*5 # na ampiasao ny App MVola.

MPaymaka amin'ny MVola. Mety ianao no mpandresy manaraka. 💛
, miara-mandroso isan'andro!

__

🎬 Un simple réabonnement... ou 2 000 000 Ar. À vous de voir. 😉

Réabonnez-vous à CANAL+ via MVola, profitez de 30 jours Tout CANAL+ et participez automatiquement au tirage au sort.

💰 2 000 000 Ar pourraient bien vous attendre.

📲 Tapez #111*1*5*5 # ou utilisez l'App MVola.

MPaymaka avec MVola. Le prochain gagnant pourrait être vous. 💛
, avançons ensemble !

FAMPITANDREMANA HO AN'NY MPIASA CASH POINT SY MOBILE MONEYNy asa Cash Point dia asa mitaky fahamalinana sy fitandremana....
29/07/2026

FAMPITANDREMANA HO AN'NY MPIASA CASH POINT SY MOBILE MONEY
Ny asa Cash Point dia asa mitaky fahamalinana sy fitandremana. Misy olona sasany mampiasa tetika isan-karazany mba hisolokiana. Koa ireto misy fampitandremana 10 tena ilaina:

1. Tandremo ny "jeux de main".

Raha misy mpanjifa manome vola tsy ampy singany iray, dia mangataka haverina isaina eny an-tanany indray, aza manaiky avy hatrany. Mety ho tetika fisolokiana izany.

2. Aza mampindrana ny findainao.

Na dia milaza hijery zavatra fotsiny aza ny mpanjifa, aza omena ny finday ampiasainao amin'ny Cash Point. Mety hampiditra laharana na hanao fanovana miafina izy ka hampidi-doza ny kaontinao.

3. Raiso aloha ny vola vao manao transaction.

Aza manao famindram-bola raha tsy voaray sy voaisa tsara ny vola.

4. Aza variana miresaka amin'olona tsy fantatra.

Misy mpisoloky mampiasa resaka lava hanakorontanana ny sainao, dia eo no anatanterahany ny tetiny.

5. Aza manakalo vola amin'olona tsy fantatra.

Mety hisy vola sandoka na tetika hafa ao ambadik'izany.

6. Aza manao Mvola avance raha tsy misy vola mivantana.

Aza matoky fampanantenana hoe handoa any aoriana. Ataovy aloha ny fandraisana ny vola.

7. Aza mandray antso amin'ny SIM ampiasainao amin'ny Cash Point rehefa miasa.

Mety hampivily ny sainao na ho tetika hakana vaovao manan-danja izany.

8. Tandremo ny vola sandoka.

Hamarino tsara foana ny vola rehetra raisinao alohan'ny hanaovana transaction.

9. Aza mihinana na misotro zavatra omen'ny olona tsy atokisana.

Ny fitandremana no fiarovana voalohany.

10. Tandremo ny SMS sandoka.

Aza matoky SMS milaza fa nahazo vola raha tsy voamarina ao amin'ny hafatra ofisialin'ny opérateur sy ao amin'ny kaontinao,

Lahatsoratra nadika avy tamin'ny rindrin'i Nirintsou Oly'vier

18/07/2026

RAHA SENDRA BLOQUÉ NY COMPTE CASH POINT _ANAO?
INONA NO HO ATAONAO ?



Address

Mananara Avaratra
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tafita CASH POINT posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share