20/07/2026
AHOANA NO AHAFAHANTARANA FA EFA LANY ANDRO NY LOGO IRAY?
Mety mbola tsara tarehy ny logo iray, saingy tsy midika izany fa mbola mifanaraka amin'ny vanim-potoana izy. Ireto misy famantarana lehibe:
1. Be antsipiriany loatra Rehefa misy tsipika sy effet be dia lasa sarotra hita tsara amin'ny écran kely, toy ny finday na ny sary profil.
2. Mampiasa effet efa tsy malaza intsony Ohatra: bevel, emboss, glow, shadow be loatra, na gradient mavesatra tsy mifanaraka amin'ny fironana ankehitriny.
3. Tsy mazava rehefa ahena Raha tsy hita intsony ny soratra na ny sary rehefa atao kely ny logo, dia mila havaozina izy.
4. Tsy mifanaraka amin'ny sehatry ny orinasa Ny orinasa dia mety efa nivoatra, fa ny logo mbola maneho ny tolotra taloha.
5. Tsy misy version maro Ny logo maoderina dia tokony hanana version miloko, mainty sy fotsy, ary version tsotra ampiasaina amin'ny toerana rehetra.
6. Tsy mora tadidy Raha sarotra ho an'ny olona ny mahatsiaro azy rehefa avy nahita indray mandeha, dia mila fanatsarana ny endriny.
7. Tsy mifanaraka amin'ny sehatra nomerika Ny logo dia tokony ho tsara amin'ny Facebook, Instagram, TikTok, tranonkala, carte de visite, ary panneau.
Tsy voatery ovaina tanteraka ny logo iray vao lasa maoderina. Indraindray fanavaozana kely (logo refresh) no ampy hitazonana ny maha-izy azy sady hampifanaraka azy amin'ny vanim-potoana ankehitriny.
Mbola maoderina ve ny logo ampiasainao? Alefaso ao amin'ny commentaire na hafatra manokana, dia afaka manome fanombanana sy torohevitra aho.