25/09/2026
🏴☠️ LOGO NAMPIRAY GenZ
Tsaroana androany tokoa ny 25 septembre 2025 izay nisian'ny tolona nataon'ireo tanora malagasy Gen Z
Ny logo Gen Z moa dia noforonin'ny artist antsoina hoe Paiso Be, izay mpikambana ao amin'ny hetsika mihitsy.
Ny logo dia nakan-tahaka avy amin'ny mariky ny manga Japoney malaza hoe One Piece, izay efa nampiasain'ny hetsika Gen Z maneran-tany (Nepal, Indonezia...). Kanefa novain'i Paiso Be ho "malagasy": ny satroka dia nosoloana ny satroka satroka nentin'ny foko Betsileo.
Sary tsotra dia afaka mampiray ✊🏾