10/02/2025
Ahoana no fiasan’ny angovo avy amin’ny masoandro ao an-tokantrano ? ☀️🏠
Ny rafitra angovo azo avy amin’ny masoandro dia mamokatra herinaratra amin’ny alàlan’ny takelaka (panneaux solaires) napetraka amin’ny tafon-trano. Ireo takelaka ireo dia manova ny hazavan’ny masoandro ho herinaratra mivantana (DC) ⚡. Misy fitaovana atao hoe MPPT (Maximum Power Point Tracker) manatsara sy manome fahombiazana ambony amin’izany angovo izany.
Avy eo, ilay herinaratra mivantana (DC) dia ovain’ny onduleur 🔄 ho herinaratra miovaova (AC), mba hifanaraka amin’ny fitaovana an-tokantrano. Raha misy angovo mihoatra ny ilaina, dia tehirizina ao anaty bateria 🔋 mba hahafahana mampiasa herinaratra amin’ny alina 🌙 na amin’ny andro manjombona.
Ity rafitra ity dia manome herinaratra ho an’ny fitaovana isan-karazany toy ny lamba fanasana 🧺, air conditionné ❄️, vata fampangatsiahana 🧊, ary fahitalavitra 📺, ka manome tokantrano maitso kokoa 🌱 sy mahaleotena amin’ny angovo 💡. Raha apetraka sy tazomina araka ny tokony ho izy 🛠️, dia manampy amin’ny fampihenana ny fandaniana herinaratra sy fampihenana ny fiankinana amin’ny tambajotran-jiro.
Tsara Hazavana