10/12/2023
Ilay alina hafahafa.
Niditra tao amin'ny trano fandraisam-bahiny ity lehilahy iray.
-Client : Malalaka ve ao @ chambre 39 ?
-Gérant : Eny tompoko, tsy misy olona ao. Afaka raisinao.
Mialoha ny nandehanany tany @ chambre dia niteny ilay client fa mila "antsy miloko mainty, kofehy fotsy 39 cm ary voasary 3kg". Nomena azy ireo.
Niditra tao amin'ny chambre ilay client, tsy nikaomandy sakafo. Mifanila amin'ny tranon'ny Gérant moa ny chambre n°39.
Nony tonga ny sasak'alina dia nahare feom-biby hafahafa tao @ chambre 39 ilay Gérant. Nisy feon-javatra mikorontana be, toy ireny lovia vaky miparitaka sy atsipy amin'ny gorodona ireny.
Tsy nahita tory intsony izy iny alina iny fa nieritreritra ny anton'ilay korontana sy ny feo hafahafa teo.
Rehefa namerina ny lakilé ilay client nony maraina dia nangataka mba hanamarinana ny chambre ilay gérant. Milamina tsara ny efitra, tsy misy mampiahiahy hita tao. Mbola tao daholo ireo tady, antsy sy voasary.
Nandoa ny vola ilay client sady nanome pourboire ho an'ny mpiasa. Nandao ny hôtel am-pitsikitsikina izy avy eo.
Afaka herintaona, niverina ilay client. Ilay chambre 39 ihany sy ireo fitaovana no notadiaviny.
Nony misasak'alina dia injao fa niverina ireo feo nisy taloha ary nihamafy kokoa aza. Nony maraina anefa dia milamina tsara ihany ny efitrano. Tsy nisy na inona na inona hafahafa. Lasa saina mafy ilay gérant.
Niherina ny taona, tonga indray ilay client. Toy ny isan-taona ihany ny nataony, chambre 39, sns...Nihamafy hatrany kosa ny feo ren'ilay Gérant.
Ny maraina rehefa handao ny hôtel ilay client dia tsy naharitra ilay Gérant fa nanontany am-panajana ny secret an'ireo fitaovana ilainy ireo sy ireo feo hafahafa tao chambre 39 amin'ny misasak'alina.
- C : Hambarako anao ny zava- nisy raha mianiana ianao fa tsy hitantara amin'olona.
-G : Mianiana aho fa lazao ary.
Dia notantarain'ilay Client daholo ny tsiambaratelo.
Olon-dehibe mitana ny teny nomeny anefa ilay Gérant, ka tsy namoaka ilay secret hatramzao.
(nin