26/09/2025
Ry Malagasy havana, lasa manjavona ny firenentsika.
Potika ny orinasa, may , voroba, tsy misy rano sy jiro, ary maty ny vahoaka.
Aiza ho aiza isika? Rahoviana no hifoha? 🇲🇬
Tena mahakivy ny mahita an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Lasa rava ny orinasa, very asa ny olona, tapaka ny herinaratra sy ny rano, mitombo ny traboina sy ny maty.
Toa tsy misy ho avy mazava intsony ho an’ny firenentsika.
Ry Malagasy, tsy tokony hangina intsony isika.
Tokony hifampitantana, hifanohana, ary hijoro ho an’ny firenena.
Raha tsy isika no mihetsika, iza no hamonjy an’i Madagasikara?
Efa tonga amin’ny ambaratonga mampiahiahy i Madagasikara.
Ny rahampitso mety ho ratsy kokoa raha mbola mangina isika.
Aoka ho iray isika, aoka hifampitantana, fa ny firenena dia antsika, ary ny ho aviny dia ho an’ny zanatsika.
Tsy mbola tara loatra raha mihetsika isika izao! ✊
🇲🇬 Ry Malagasy rehetra, tandindomin-doza i Madagasikara!
Tsy misy jiro, tsy misy rano, potika ny orinasa sy ny asa.
Nisy maty, nisy traboina, nisy naratra.
Andeha aiza ny firenentsika?
Tsy tokony hangina ny tanora!
Tsy tokony hangina ny artista !
Tsy tokony hangina ny mpitondra fivavahana sy ny mpampianatra!
Tsy tokony hangina izay milaza izy fa malagasy!
Aoka isika rehetra ho iray hiroso ho amin’ny fiovana.
Raha mangina isika androany, tsy hisy rahampitso ho an’ny taranaka. ✊
Malagasy aho Malagasy isika tiako ny tanindrazako